Ireo vaovao
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ireo Ekipan’ny PLAE sy ny mponina amin’ireo faritra 5 iasany. Sahandriaka vaovao 06 no voakasik’izany tamin’iny volana janvier iny ary 155 ha no toerana voajary avy amin’ny alalan’ny fametrahana ireo fiarovana isan-karazany sy ny fambolen-kazo ary indrindra koa ny fanatsarana ny fomba fambolena eny an-tanety.
Amin’ny ankapobeny dia nizotra tsara ny asa ankoatra ny tany amin’ny Antenne Bezaha izay sahirana ihany noho ny tsy fahampian’ny rotsakorana.
Eo amin’ny fanatsarana ny fomba fambolena an-tanety dia hita fa miha mahazo vahana ankehitriny ny fampiharana ny voly rakotra. Nahazo fiofanana fanampiny tamin’izany teknika izany avokoa ny solon-tenan’ny teknisianina isaky ny Antenne ary velantany fambolena mirefy 70 ha no voakasik’izany raha ho an’ireo Antenne Marovoay, Soavina ary Bezaha izay efa nanomboka izany amin’ny taon-dasa no resahina.
Nisy kosa,taorian’ny lamina sy fanaovana tombana ny ezaka vita, ny fitsidihan’ny GSDM ireo Antenne 2 any avaratra mba ahafahana mamaritra ny teknika heverina fa hahomby.
Vaovao nisy teo aloha
Fandraisana anjaranny PLAE taminny FIM :
Ny faha 15 hatramin’ny faha 18 mai no natao teo amin’ny Espace Futura eo Andranomena Antananarivo ny FIM ka nandraisan’ny PLAE anjara. Anjatony maro ary sokajin’olona maro toa izany koa no nitsidika ny PLAE. Nisy tamin’izy ireo aza no nanantona sy nitady fiaraha-miasa.
Fanohizana ny asa amin’ny SISO:
Ny SISO (Suivi d’Impacts Socio Organisationnels) dia fomba fiasa napetraky ny PLAE mba ahafahana manderefy ny akon’ny asa eo amin’ny fitantanana ny fikambanana sy hijerena ny fanampiana heverina fa tena ilain’ireny fikambanana ireny mba ahafahany mampandeha ny asa fiadiana amin’ny fahasimban’ny riaka ny tany sy ahafahany mivelatra ihany koa.
Taorian’ny fitsidihana ny faritra telo voalohany, Marovoay, Soavina ary Bezaha ny volana mars 2008 teo dia nisy ihany koa ny fanampiana ireo faritra ireo izay niainga amin’ny fanombanana ny fandehan’ny asa sy nijerena ny mety hanapariahana izany.
Fanombohana ny fametrahana fomba handrafetana ny akon’ny asan’ny PLAE eo amin’ny lafiny ekonomika
Ankoatry ny fijerena ny akon’ny asa eo amin’ny toerana iasana sy ny manodidina azy (Impacts physiques), ny akony eo amin’ny fiainam-pikambanana (SISO) dia nanomboka ny faramparan’ny volana mai teo ny fanadiadiana ny fomba enti-mandrefy ny akon’ny asan’ny PLAE ara ekonomika (Impacts économiques). Manam-pahaizana manokana no manampy ny PLAE amin’izany ka tao Marovoay aloha no nanombohana ny fanadiadiana.
Fanohizana ny fanitsiana ireo sata fototra sy fitsipika anatinny ONG MAZAVA
Nitohy hatrany ny fanitsiana ny sata fototra sy fitsipika anatin’ny ONG MAZAVA. Izany moa dia miankina indrindra amin’ny fitondrana hatrany ny fanatsarana ny firafitr’ity ONG ity, ONG izay rafetin’ny Tantsaha ka hanohy ny fanaovana ny asa fiarovana ny Sahandriaka.
Fandrafetana ny lamin’asa ho an’ny 2008 hatramin’ny 2011
Taorian’ny fahavitan’ny tomban’ezaka ny volana août sy septembre 2007 dia notontosaina ny volana avril teo ny famolavolana ny paik’ady hitondrana ny asa ho an’ny taona 2008 hatramin’ny 2011 ka niainga tamin’ireo toro-mariky ny mpanao tomban’ezaka izany fametrahana paik’ady izany.
Ny volana mai sy juin kosa no notanterahina isaky ny Antenne ny atrik’asa nijerena ny planina (planification opérationnelle) ka nandray anjara tamin’izany ireo mpiray ombon’antoka tamin’ny PLAE indrindra fa ny Tantsaha.





